Teny Malagasy.....Version Française

Eo Anivon’ny Tafo/Faritany

Amin’ny alàlan’ny Tafo (na Faritany) no fomba faharoa irosoana amin’ny fametrahana Mpitandrina matihanina. Mifanaraka kokoa amin’ny kongregasionalisme izay fomba faharoa izay. Raha ny famelomana ireo Mpitandrina ao aminy mantsy dia mbola ao anaty rafitra teteza-mita ny FPMA. Izany hoe eo anelanelan’ny kongregasionalisma sy ny fitondrana presbytero-synodaly. Ary ny Synoda Lehibe no tompo-marika amin’ny fisafidianana ny sori-dàlana arahina ny amin’izay.

Ato anatin’ny fotoana fohy, ny Tafo na Faritany izay maniry hanana Mpitandrina matihanina dia entanina mba hiroso amin’izany. Tahaky ny notanterahan’ireo Tafo fito taorian’ny taona 2006 : Aix-Marseille, Toulouse, Grands-Champs, Lille, Lyon, Poitiers, Fihobiana sy ny Faritany Afovoany Andrefana. Ny V3M dia miezaka manampy amin’ny fanomezana torohevitra teknika eo amin’ny fanantanterahana izany. Ity fomba faharoa ity dia heverina fa azo tanterahina ho an’ny Tafo ahitana Mpikambana miisa tsy latsaky ny efapolo.

Misoritra toy izao ny dingana mety arahina raha haka Mpitandrina matihanina :

  1. Fanentanana sy fandresen-dahatra ny Tafo.
    • Amin’ny fampianarana maro samihafa mikasika ny tokony haha-matihanina ny Mpitandrina.

    • Amin’ny alalan’ny traikefa raisina ho ohatra soa fianatra avy amin’ny Tafo hafa.

  2. Fananganana V3M eo anivon’ny Tafo.
    • Handinika izay rehetra mikasika ny fanatanterahina ny tanjona eo anivon’ny Tafo.

    • Ahitana zana-baomiera telo : mijery ny ara-bola, ny ara-panjakana ary ny ara-pastoraly.

  3. Fanaovana Fivoriam-ben’ny Mpandray.
    • Hanapahana ny hevitra handraisana Mpitandrina matihanina.

    • Hanapahana ny fotoana sy ny soritrasa hanatanterahana izany.

  4. Fanaovana antso ho an’ny Mpitandrina te-ho kandidà.
    • Tsara raha mihaona amin’ny Tafo na ny Komitin’ny Tafo ireo Kandidà.

    • Tsara arafitra amin’ny soritrasa izany fihaonana isan-karazany izany.

  5. Fanaovana Fivoriam-ben’ny Mpandray.
    • Mifidy ny Mpitandrina amin’ireo nanaiky ho kandidà.

    • Miroso amin’ny fifanarahana amin’ny fomba ofisialy.