Teny Malagasy.....Version Française

Asa Misiona Iombonana

Ny fomba voalohany hahatongavana amin’ny fananana Mpitandrina matihanina dia mifanaraka amin’ny fitondrana presbytero-synodaly. Io rafi-pitondrana io no nofinidin’ny FPMA hitondrana sy handaminana ny fiainany. Izany hoe fitondrana hitandrovana foto-kevitra roa : fitandrovana ny mba tsy hisian’ny fahefan’olon-tokana (fiainanana amin’ny fahasamihafan’ny fanomezam-pahasoavana ary endriky ny Fanjakam-pisorona) ; fitandrovana ny mba tsy hisian’ny teny midina (fahefana sy fitondrana ny Fiangonana mifampita eo amin’ny rafitra ambony sy ny rafitra ambany).

Ny Asa misiona iombonana dia tanterahina amin’ny fanokafana Kitapo nasionaly manokana (Caisse centrale) hisahana ny fiveloman’ny Mpitandrina matihanina eto anivon’ny FPMA manontolo. Ny fiantohana izany Asa misiona izany dia miantehitra amin’ny rafitra fanohanana (système de parrainage des actions missionnaires) amin’ny alàlan’ny fandraisan’anjara (souscription) avy amin’ny Mpiangona. Ny 12 oktobra 2008 moa no nanombohana amin’ny fomba ofisialy ny Asa misiona. Mety azo heverina fa ho lavitr’ezaka ny fametrahana ny kitapo nasionaly iraisana kanefa natao ho rafitra maharitra kosa izany.

Marihina fa tsy amin’ny alàlan’ny Tafo no hanaovana izany fa ny tsirairay isambatan’olona no mananteraka izany an-tsitrapo araka ny fandresen-dahatra sy ny fanomezampahasoavana nomen’ny Tompo azy. Na ireo Tafo izay manana Mpitandrina matihanina aza dia voakasik’izao Asa misiona iombonana izao. Raha misy 1,000 ohatra ny mpikambana no manome 10 Euros farafahakeliny, dia afaka mametraka Mpitandrina matihanina enina ny FPMA. Tsiahivina fa araka ny tarehi-marika any amin’ny Birao Foibe dia 4,500 farafahakeliny ny isan’ny mpikambana avy amin’ny Tafo.

Mahavelom-bolo ny vokatra. Efa ho herintaona izao no natomboka ny “souscription” izay natao teo anivon’ny FPMA, Tafo dimy no efa nandray anjara, ary vokatr’izany dia nitombo iray indray ny isan’ny Mpitandrina matihanina eo anivon’ny FPMA.

Ny Tompo izay efa niantso antsika rehetra amin’ny fanatanterahana ny asa fitoriana ny Filazantsara no handresy lahatra antsika mba ahatonga antsika ho fitaovana eo am-pelantanany amin’ny fametrahana Mpitandrina matihanina amin’ny Tafo rehetra eo anivon’ny FPMA.

Indro ny rohy ahafahana maka ny tapakila fanohanana ny Asa misiona iombonana : FPMA, Fiche de souscription (2010) (PDF) izay miendrika toy izao :

Fiche de souscription

Tsindrio ny sary raha te-hanabe azy