Teny Malagasy.....Version Française

Sori-dàlana

Hatreo amin’ny taona 2006 dia Mpitandrina telo (Pasitera Synodaly, Tafo FPMA Paris, Tafo FPMA La Réunion) no matihanana teto anivon’ny Fiangonana Protestanta Malagasy aty Andafy – FPMA raha fito ambin’ny folo ny Mpitandrina amperin’asa ho an’ny Tafo efatra amby telopolo.

Ny fahatsapana fa olona nanokan-tena ho an’Andriamanitra ny kristiana, ary aoriny ho fiangonana mba hanao ny asany ety an-tany, no nahatonga ny Synoda Lehibe FPMA faha-XXXI, ny 10-11-12 novambra 2006 tany Orléans, mba hanaovana vaindohan-draharaha ny hananana Mpitandrina matihanina ho an’ny Tafo FPMA sy ny Faritany FPMA rehetra. Ny fahatrarana ny taon-jobily sy fankalazana ny faha-dimampolo taona nijoroan’ny FPMA, ny taona 2009 (fotoana izay omen’Andriamanitra ny vahoakany mba hahatsiarovany ny asan’Andriamanitra eo amin’ny fitondrany ny Fiangonany sy hampiorenany azy bebe) dia manamafy orina ny maha-zava-dehibe ny tanjona hananana Mpitandrina matihanina.

Ilaina anefa ny fandinihana, fotoana sy dingana maro alohan’ny hirosoan’ny Fiangonana haka fanapahan-kevitra amin’izany famelomana ny Mpitandrina eo aminy izany.

Natsangana tany Orléans ny Vaomiera Mitrandraka ny momba ny Mpitandrina Matihanina – V3M. Ny asa nampiandraiketana ny V3M dia efatra loha : fampahafantarana, fanentanana, fampianarana, fanampiana amin’ny fanatanterahana ny tanjona hananana Mpitandrina matihanina ho an’ny Tafo FPMA sy ny Faritany FPMA rehetra. Tsy miasa irery ny V3M fa mifandray tànana amin’ny FPMA iray manontolo (Birao Foibe, Faritany, Tafo, …).

Mandroso ny tanjona satria taorian’ny Synoda Lehibe tany Orléans, dia niampy valo sahady ny isan’ny Mpitandrina matihanina eto amin’ny Tafo FPMA. Izany no tanteraka dia noho ny firosoan’ny Tafo Aix-Marseille, Toulouse, Grands-Champs, Lille, Lyon, Poitiers, Fihobiana ary ny Fandrindrana ny Faritra Afovoany Andrefana .

Mitombo koa ny fanamby satria taorian’ny Synoda Lehibe tany La Grande Motte, dia lasa fito amby telopolo ny isan’ny Tafo FPMA. Ary vao niampy iray indray ny Tafo FPMA taorian’ny Synoda Lehibe FPMA faha-XXXIII ny 30, 31 oktobra, 01 novambra 2010 tany La Rochette ka valo amby telopolo izao no isany.

Fomba roa no ahazoan’ny FPMA miroso amin’ny fametrahana Mpitandrina matihanina :