Ny Firafitry ny V3M
Araky ny notinapaky ny Synoda Lehibe FPMA faha-XXXI, ny 10-11-12 novambra 2006 tany Orléans, dia Filoha roa no mitantana ny V3M ka ny iray Mpitandrina ary ny iray laika :
- Filoha Mpitandrina : Pasitera RAHARINDRANTO Falimanana ;
- Filoha laika : Andriamatoa RATIARISON Roland.
Misy zana-baomiera telo eo anivon’ny V3M :
- Zana-baomiera misahana ny ara-teolojika, sahanin’i Pasitera RAHARINDRANTO Falimananana
- Zana-baomiera misahana ny ara-bola, sahanin’Atoa RATIARISON Roland
- Zana-baomiera misahana ny ara-panjakana sy ny lalàna, sahanin’Atoa RAKOTONIRINA Rado
Ity zana-baomiera no miandraikitra ny lafiny ara-tsoratra masina amin’ny tanjona hananana Mpitandrina matihanina. Mijery arak’izany ny fomba hanentanana ny Tafo amin’ny fitondrana fanazavana ara-panahy. Ity zana-baomiera ity ihany koa no manomana ny fifanarahana ara-patsoraly (cahier de charges pastorales) izay hifanarahan’ny Tafo sy ny Mpitandrina.
Ity zana-baomiera no mifanampy amin’ny Tafo hijerena ny fomba fiantohana ny tanjona hananana Mpitandrina matihanina. Manao ny tombana ny amin’ny izay ilaina rehetra (latsak’emboka, hetra, …) ateriky ny fakana Mpitandrina matihanina. Miandraikitra ihany koa ny fikarohana sy fitrandrahana ny loharanom-bola rehetra azo iatrehana ny tanjona.
Ity zana-baomiera ity indray no mitondra ny fanazavan-kevitra araky ny lalàna amin’ny fiatrehana ny tanjona hananana Mpitandrina matihanina. Manampy ny Tafo amin’ny fikirakirana ireo antontan-taratasy ilaina eny amin’ny sampandraharaham-panjakana maro. Manoro hevitra ihany koa ny fandrafetana ny taratasy fifanarahana (contrat de travail) eo amin’ny Tafo sy ny Mpitandrina.
Fifandraisana :
- Pasitera RAHARINDRANTO Falimanana : Falimanana [point] Raharindranto [at] protestant [point] com
- RATIARISON Roland : Ratiarison [point] Roland [at] wanadoo [point] fr
- RAKOTONIRINA Rado : Rado [point] Rakotonirina [at] afrika-studies [point] org


