Ny V3M
Ny Vaomiera Mitrandraka ny momba ny Mpitandrina Matihanina na V3M dia natsangana taorian’ny Synoda Lehibe FPMA faha-XXXI, ny 10-11-12 novambra 2006 tany Orléans, mba hanaovana vaindohan-draharaha ny hananana Mpitandrina matihanina ho an’ny Tafo FPMA sy ny Faritany FPMA rehetra. Nohamafisina ny andraikitra ankinina amin’ny V3M taorian’ny Zaikabe FPMA izay natao ny 01, 02, 03, 04 novambra 2007 tany La Roche Sur Yon.
Araky ny notinapaky ny Synoda Lehibe FPMA tany Orléans, dia Filoha roa no mitantana ny V3M ka ny iray Mpitandrina ary ny faharoa kosa laika :
- Filoha Mpitandrina : Pasitera RAHARINDRANTO Falimanana ;
- Filoha laika : Andriamatoa RATIARISON Roland.
Lafiny efatra no imasoan’ny V3M amin’ny tanjona hananana Mpitandrina matihanina : fampahafantarana, fanentanana, fampianarana ary fanampiana. Tsy manapa-kevitra arak’izany ny V3M fa mpanoro hevitra ary mpiara-miasa amin’ny isan-tsokajiny eo anivon’ny FPMA (Foibe, Faritany, Tafo, …).


