Teny Malagasy.....Version Française

Infos FPMA: Hafatry ny Synoda Lehibe Faha-XXXIII

Nov 24th, 2010 | Mis en ligne par: Rado Rakotonirina | Catégorie: Infos FPMA

Synoda LehibeNy Synoda Lehibe faha-XXXIII n’ny FPMA izay nivory teto La Rochette, Melun, Seine et Marne, ny 30 sy 31 Oktobra ary 01 Novambra 2010, miarahaba sy mamangy ny Tafo sy kristiana FPMA rehetra.

Hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo. Amena.

« Tomoera Amiko ary Izaho aminareo » (Jaona 15: 4). Izany Tenin’ny Tompo izany no teny faneva nitarika ny Synoda Lehibe Faha-XXXIII. Isaorana ny Tompo fa noho ny fahasoavany sy ny noho ny fitarihan’ny Fanahy Masina dia tonga amin’ny dingana vaovao, anatanterahan’ny FPMA ny tanjona kendrena amin’ny hoe : « Ho olon-dehibe mahatratra ny halehiben’i Kristy sy henika ny fahafenoany ».

Ny endrika lehibe voalohany nisehoan’izany dingana vaovao izany dia ny fanomezana fotoana maharitra ankoatr’izay lany niadiana hevitra, nanaovana fiaraha-mandinika Soratra Masina sy fiaraha-mivavaka. Ny aimpanahy azo tamin’izany no nahavitana ireo zava-dehibe, namahana olana, ary nametrahana ireo asa ho amin’ny ho avy.

Noho ny sitrapon’Andriamanitra, voavaha tamin’ity Synoda Lehibe faha-XXXIII ity ny olana nikasika ny Tafo FPMA Ivry Famonjena. Nanapa-kevitra ny Synoda Lehibe faha-XXXIII, rehefa nahita ny fifandaminan’ny Fiangonana roa tonta tamim-pirahalahiana sy fitiavana fa tsy misy intsony ny Tafo FPMA Ivry Famonjena, tsy ho azo hampiasaina intsony ny anarana Tafo FPMA Ivry Famonjena ary dia najoro ny Tafo FPMA Vato Fehizoro sy ny Tafo FPMA Vincennes izay samy ho ao amin’ny Faritany Afovoany Atsinanana.

Naroso tamin’izao Synoda Lehibe faha-XXXIII izao ihany koa ny Soritrasam-Piangonana ho amin’ny 6 taona ho avy izay mifototra amin’ny « Fitaizam-pinoana ho an’ny daholobe » (Catéchèse de toute la Communauté) natao hiainan’ny isan’ambaratonga rehetra.

Nihevitra izao Synoda Lehibe faha-XXXIII izao fa tsara ny handinihana any amin’ny Tafo sy ny Faritany ny foto-dalàna rehetra mikasika ny fitantanana ny FPMA. Hampita ny hetahetany avy izy ireo, hampakatra izany any ambaratonga isan-tsokajiny.

Isaorana ny Tompo Jesoa Lohan’ny Fiangonana fa voatokana ho Mpitandrina tamin’ity Synoda Lehibe faha-XXXIII ity Andriamatoa Rakotoarimanga Marc Yves izay mitandrina ny Tafo FPMA Grands Champs Paris.

Nofidina ny mpikambana ao amin’ny Birao Foibe ka voatendry tamin’izany:

    Filoha Synodaly : Rev. Dr. Andriamarohasina Ravalitera Jean
    Filoha Mpanampy Mpitandrina : Pasitera Andrianomenjanahary Solo
    Filoha Mpanampy laïka : Atoa Ratiarison Roland
    Tonia : Atoa Ramarotafika Rado
    Mpitahiry vola : Atoa Solo Rabarimanana Elysé
    Mpandraharaha ny vola : Atoa Randriambololona Laurent
    Mpanolon-tsaina : Pasitera Raharindranto Falimanana

Notendrena ho Mpanamarim-bola: Atoa Ranaivoson Heriharijaona sy Atoa Rakotomalala Ertz.

Mampahery ny isam-batan’olona, ny isam-pianankaviana, ny isan-tafo, ny faritany, ny sampana mba hanao toy izay natao teto amin’ny Synoda lehibe izao, ka hiaina bebe kokoa hatrany, amin’ny fiaraha-mandinika Soratra Masina sy ny fiaraha-mivavaka hahatanteraka ny hafatry ny Tompo hoe: « Tomoera Amiko ary Izaho aminareo.» (Jaona 15: 4).

« Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesoa. » (Fil 4: 7).

Dia manao veloma finaritra anareo izahay.

Amin’ny anaran’ny Synoda Lehibe faha-XXXIII n’ny FPMA izay nivory teto amin’ny
La Rochette, Melun, Seine et Marne (77)
Alatsinainy 01 novambra 2010

Amin’ny anaran’ny Vaomieran’ny Hafatra
Pst Rakotonirainy Josoa, Filohan’ny Vaomiera

Amin’ny anaran’ny Biraon’ny Synoda Lehibe faha-XXXIII
Atoa Ratiarison Roland, Filohan’ny Synoda

Amin’ny anaran’ny Birao Foibe FPMA
Rev. Dr. Andriamarohasina Ravalitera Jean, Filoha Synodaly, Filohan’ny FPMA

Les commentaires sont clos.