Teny Malagasy.....Version Française

Lahatsoratra avy @ ity mpanoratra ity

Matoan-dahatsoratra

Nov 2nd, 2010 | Mpanoratra: Roland Ratiarison | Sokajy: Matoan-dahatsoratry ny Filoha Laika

Ry havana,

Ampitomboina amintsika hatrany anie ny Fahasoavana sy ny Fiadanan’i Jesoa kristy Lohan’ny Fiangonana.

Anisan’ny tanjona nofaritana tamin’ny synoda lehibe FPMA tany Orléans tamin’ny volana novambra 2007 ny hahamatihanina ny Mpitandrina rehetra eo anivon’ny FPMA. Vokatr’izany dia natsangana ny Vaomiera Mitrandraka ny Momba ny Mpitandrina Matihanina (V3M) izay rafitra miara-miasa amin’ny birao foibe FPMA, mitady izay fomba mety hatao mba hanantanterahana izany tanjona izany.

Fantantsika fa tsy ny fotoana alahady ihany no ilaina Mpitandrina fa na amin’ny andavandro koa toa ny fanaovana “entretien pastoral”, ny famangiana ny Marary, ny fanofanana sy fampianarana ny tenin’Andriamanitra. (…)