Matoan-dahatsoratry ny Filoha Mpitandrina
Nov 17th, 2010 | Mpanoratra: Past. Falimanana Raharindranto | Sokajy: Matoan-dahatsoratry ny Filoha MpitandrinaFa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen’ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany. (Romana 15:1)
Ry havana,
Efa-taona izao no nimasohana teto anivon’ny FPMA, mba ho laharam-pahamehana ny hamelomana ny Mpitandrina amin’ny Tafo FPMA sy Faritany FPMA rehetra ary FPMA manontolo, ka hahamatihanina azireo. Fanamby lehibe napetratsika izany taorian’ny Synoda Lehibe FPMA faha-XXXI, 2006 tany Orléans. Betsaka ny vita satria raha telo ny Mpitandrina matihanina talohan’ny 2006 (Pasitera Synodaly, Tafo Paris, Tafo La Réunion), dia niampy valo izany ankehitriny, rehefa niroso ny Tafo Aix-Marseille, Toulouse, Grands-Champs, Lille, Lyon, Poitiers, Fihobiana ary ny Fandrindrana ny Faritra Afovoany Andrefana.
Ny ezaka ataontsika eny anivon’ny Tafo sy Faritany dia tena zava-dehibe ary mbola anentanana antsika rehetra hatrany ny hanohizana izany. Kanefa mbola maro ireo Tafo mangetaheta fatratra ny hanana Mpitandrina matihanina hiahy ny ondrin’Andriamanitra any amin’izy ireny. Ary izay no anentanana antsika indrindra ihany koa. Ka hifarimbona isika mba tsy hamely irery ireo Tafo izay mety ho marefo ara-bola na mety ho bitika noho ny isan’ny Mpikambana ao aminy. (…)



