Teny Malagasy.....Version Française

Lahatsoratra avy @ ity mpanoratra ity

Antso Tafo FPMA Montpellier sy Tafo FPMA Lille

Feb 22nd, 2011 | Mpanoratra: Rado Rakotonirina | Sokajy: Antso - Mpitandrina Matihanina

“Mpitandrina matihanina”: Tafo Montpellier sy Tafo Lille

Noho ny Fahasoavan’Andriamanitra dia miroso amin’ny fiantohana ny fiveloman’ny Mpitandrina hiasa mba ho matihanina ao aminy ny Tafo FPMA Montpellier sy ny Tafo FPMA Lille.

Ho an’ny Tafo FPMA Montpellier :

Misokatra ny 15 febroary 2011 ka hatramin’ny 25 marsta 2011 ny fahafahana mirotsaka ho kandidà.

Raha mila fanazavana fanampiny dia mifandraisa amin’ny Mpiandraikitra ny V3M – Tafo FPMA Montpellier :
Atoa ANDRIAMALALAMANA Roland : darol [at] wanadoo [point] fr

Ho an’ny Tafo FPMA Lille :

Misokatra ny 01 martsa 2011 ka hatramin’ny 30 aprily 2011 ny fahafahana mirotsaka ho kandidà.
Raha mila fanazavana fanampiny dia mifandraisa amin’ny Mpiandraikitra ny V3M – Tafo FPMA Lille :
Atoa RAZAFINDRAMBOA Naina : v3mfpmalille [at] gmail [point] com



Vaovao tselika: Tafo FPMA Grenoble – Mpitandrina matihanina

Feb 19th, 2011 | Mpanoratra: Rado Rakotonirina | Sokajy: Vaovao tselika

Tontosa soa aman-tsara ny alahady 16 janoary 2011, tao ao amin’ny Tafo FPMA Grenoble, ny fifidianana izay ho Mpitandrina matihanina amin’izany Tafo izany.

Sitrak’Andriamanitra àry ny nametraka ny mpanompony : Pasitera RAMAHERIJAONA Jean-Teddy, hitandrina ny Tafo FPMA Grenoble.

Ny Fanompoam-pivavahana izay hametrahana an’i Pasitera RAMAHERIJAONA Jean-Teddy ho Mpitandrina matihanina ao amin’ny Tafo FPMA Grenoble sy ny fotoana handraisany izany andrakitra izany dia mbola ho fantatra miandalana eny ihany.

Vangio ny tranonkalan’ny Tafo FPMA Grenoble. (…)



Vaovao tselika: Tafo FPMA Grenoble – Fifidianana Mpitandrina matihanina (16.01.11)

Jan 1st, 2011 | Mpanoratra: Rado Rakotonirina | Sokajy: Vaovao tselika

Ny alahady 16 janoary 2011 ho avy izao no ho tanterahina ao amin’ny Tafo FPMA Grenoble, ny fifidianana izay ho Mpitandrina matihanina amin’izany Tafo izany.

Hanotrona ny fotoana ny Rev. Dr. Jean A. RAVALITERA, Pasitera Synodaly, Filohan’ny FPMA.

Vangio ny tranonkalan’ny Tafo FPMA Grenoble, raha mila fanampim-panazavana. (…)



Vaovao tselika: Tafo FPMA Bordeaux – Mpitandrina matihanina

Dec 6th, 2010 | Mpanoratra: Rado Rakotonirina | Sokajy: Vaovao tselika

Tontosa soa aman-tsara ny alahady 05 desambra 2010, tao ao amin’ny Tafo FPMA Bordeaux, ny fifidianana izay ho Mpitandrina matihanina amin’izany Tafo izany.

Sitrak’Andriamanitra àry ny nametraka ny mpanompony : Pasitera RAKOTOARIMANANA Ndranto, hitandrina ny Tafo FPMA Bordeaux. (…)



Vaovao tselika: Tafo FPMA Bordeaux – Fifidianana Mpitandrina matihanina (05.12.10)

Nov 24th, 2010 | Mpanoratra: Rado Rakotonirina | Sokajy: Vaovao tselika

Ny alahady 05 desambra 2010 ho avy izao no ho tanterahina ao amin’ny Tafo FPMA Bordeaux, ny fifidianana izay ho Mpitandrina matihanina amin’izany Tafo izany.

Hanotrona ny fotoana ny Rev. Dr. Jean A. RAVALITERA, Pasitera Synodaly, Filohan’ny FPMA.

Vangio ny tranonkalan’ny Tafo FPMA Bordeaux. (…)



Vaovao FPMA: Hafatry ny Synoda Lehibe Faha-XXXIII

Nov 16th, 2010 | Mpanoratra: Rado Rakotonirina | Sokajy: Vaovaon'ny FPMA

Synoda LehibeNy Synoda Lehibe faha-XXXIII n’ny FPMA izay nivory teto La Rochette, Melun, Seine et Marne, ny 30 sy 31 Oktobra ary 01 Novambra 2010, miarahaba sy mamangy ny Tafo sy kristiana FPMA rehetra.

Hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo. Amena.

« Tomoera Amiko ary Izaho aminareo » (Jaona 15: 4). Izany Tenin’ny Tompo izany no teny faneva nitarika ny Synoda Lehibe Faha-XXXIII. Isaorana ny Tompo fa noho ny fahasoavany sy ny noho ny fitarihan’ny Fanahy Masina dia tonga amin’ny dingana vaovao, anatanterahan’ny FPMA ny tanjona kendrena amin’ny hoe : « Ho olon-dehibe mahatratra ny halehiben’i Kristy sy henika ny fahafenoany ».

Ny endrika lehibe voalohany nisehoan’izany dingana vaovao izany dia ny fanomezana fotoana maharitra ankoatr’izay lany niadiana hevitra, nanaovana fiaraha-mandinika Soratra Masina sy fiaraha-mivavaka. Ny aimpanahy azo tamin’izany no nahavitana ireo zava-dehibe, namahana olana, ary nametrahana ireo asa ho amin’ny ho avy. (…)



Fampianarana ataon’i Pasitera Jean A. RAVALITERA, Filohan’ny FPMA

Nov 16th, 2010 | Mpanoratra: Rado Rakotonirina | Sokajy: Fampianarana teolojika

Raha hanaraka ny fampianarana manontolo dia tsindrio eto : Fampianarana ataon'i Pasitera Jean A. RAVALITERA, Filohan'ny FPMA (PDF).

====================

« Maimaimpoana ny fahasoavan’Andriamanitra, fa mila ny ho enti-manana azy kosa ny Fiangonana » (La grâce de Dieu est gratuite, mais l’Église a un coût), hoy ny teny hitantsika matetika eo am-baravaran’ny ankamaroan’ny trano Fiangonana miray amin’ny ERF izay mampiantrano antsika FPMA. Napetraka ho fanentanana ny vahoaka kristiana handrotsaka adidy mba ho enti-manana ny asan’ny Fiangonana izany: na ho fikojakojana ny trano fiangonana, na ho adidy iombonana arotsaka amin’ny Faritany sy ny Foibe ho fampandehanan-draharaha sy ho fivelomana ho an’ny mpiasam-piangonana matihanina. Raha vao miteny hoe «Fiangonana» isika dia tsy ny trano iangonana ihany, tsy ny fikambanan’ny olona eo an-toerana tonga hiara-mivavaka fotsiny ihany koa (congrégation locale) no ao an-tsaina amin’izany, fa voafaoka ao anatin’io teny io: na ny trano iangonana, na ny mpiara-mivavaka eo an-toerana, fa indrindra koa ny Fiombonan’ny kristiana mpiara-mivavaka miray ao anatin’ny Rafitra iray (Église institutionalisée), sy ny Fivondronan’ny Fiangonana samy kristiana manaiky hiara-miasa sy hifanome tanana (Fédération d’Églises), ary ny Fiangonana kristiana rehetra eran-tany (Église Universelle).

Misy ny olona sasany diso fihevitra fa hoe tsy tokony hanao adidy ao am-piangonana (afa-tsy izay tokony ho enti-manana ny eo an-toerana ihany). Azo lazaina ihany fa fitiavan-tena no fototra iaingan’izany, satria tsy mijery afa-tsy izay hahazoana tombontsoa ho an’ny tena fotsiny izay misaina toy izany, ary tsy mahafantatra mihitsy ny atao hoe Fiangonana.

Fa tsy azo hamaivanina ihany kosa kanefa izao: Tsy ampy faharisihana ny olona manao adidy, (…)

Fa misy koa, kanefa, ny olona sasany, ireo efa tsy marisika mihitsy hanao adidy ara-bola, na ho an’ny raharaha eo an-toerana na ho an’ny fiombonana, miseho ho mahalala ary mandray an-tendrony fotsiny ny teny ao amin’ny Soratra Masina. Tanisainy ara-bakiteny, tsy asiany fandalinana mihitsy, ho entiny manamarin-tena amin’izany (…)

Misy fototra efatra lehibe (quatre principes fondamentaux), sady ara-pinoana no ara-tSoratra Masina no ara-piaraha-monina koa (théologique, biblique et sociologique), tokony hijerena ny fanatanterahana ny adidy ary entina mitaiza ny vahoakan’Andriamanitra mba hananany faharisihana (motivation) hanao adidy.(…)



Vaovao tselika: Tafo FPMA Fihobiana-Paris – Fanompoam-pivavahana fametrahana Mpitandrina matihanina (21.11.10)

Nov 14th, 2010 | Mpanoratra: Rado Rakotonirina | Sokajy: Vaovao tselika

Ny alahady 21 Novambra 2010 izao no ho tanterahana ny Fanompoam-pivavahana hametrahan’ny Birao Foibe FPMA an’i Pasitera Roger RAFANOMEZANTSOA ho mpitandrina matihanina ao amin’ny Tafo FPMA Fihobiana-Paris.

Manomboka amin’ ny 9:30 ora maraina ny fotoana.

Ny toerana dia ao amin’ny Eglise Réformée de Paris Luxembourg, 58 rue Madame, 75006 Paris. (…)



Traikefan’ny Tafo FPMA Grenoble

Nov 5th, 2010 | Mpanoratra: Rado Rakotonirina | Sokajy: Fizarana traikefa

Temple FPMA GrenobleIsan’ireo Tafo ao anatin’ny asa fiomanana hananana Mpitandrina matihanina ny Tafo FPMA Grenoble. Toy ny dinika nifanaovana, ny zoma 05 novambra 2010 teo, tamin’ny Filohan’ny Tafo FPMA Grenoble, Ramatoa Mirana ANDRIAMANGA, manoritra ny andinindinin’ny dingana diavin’izany Tafo izany. (…)