Vaovao tselika: Tafo FPMA Grenoble – Mpitandrina matihanina
Feb 19th, 2011 | Nampiditra ny lahatsoratra: Rado Rakotonirina | Sokajy: Vaovao tselikaTontosa soa aman-tsara ny alahady 16 janoary 2011, tao ao amin’ny Tafo FPMA Grenoble, ny fifidianana izay ho Mpitandrina matihanina amin’izany Tafo izany.
Sitrak’Andriamanitra àry ny nametraka ny mpanompony : Pasitera RAMAHERIJAONA Jean-Teddy, hitandrina ny Tafo FPMA Grenoble.
Ny Fanompoam-pivavahana izay hametrahana an’i Pasitera RAMAHERIJAONA Jean-Teddy ho Mpitandrina matihanina ao amin’ny Tafo FPMA Grenoble sy ny fotoana handraisany izany andrakitra izany dia mbola ho fantatra miandalana eny ihany.
Vangio ny tranonkalan’ny Tafo FPMA Grenoble.



