Matoan-dahatsoratry ny Filoha Mpitandrina
Nov 17th, 2010 | Nampiditra ny lahatsoratra: Past. Falimanana Raharindranto | Sokajy: Matoan-dahatsoratry ny Filoha Mpitandrina
Fa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen’ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany. (Romana 15:1)
Ry havana,
Efa-taona izao no nimasohana teto anivon’ny FPMA, mba ho laharam-pahamehana ny hamelomana ny Mpitandrina amin’ny Tafo FPMA sy Faritany FPMA rehetra ary FPMA manontolo, ka hahamatihanina azireo. Fanamby lehibe napetratsika izany taorian’ny Synoda Lehibe FPMA faha-XXXI, 2006 tany Orléans. Betsaka ny vita satria raha telo ny Mpitandrina matihanina talohan’ny 2006 (Pasitera Synodaly, Tafo Paris, Tafo La Réunion), dia niampy valo izany ankehitriny, rehefa niroso ny Tafo Aix-Marseille, Toulouse, Grands-Champs, Lille, Lyon, Poitiers, Fihobiana ary ny Fandrindrana ny Faritra Afovoany Andrefana.
Ny ezaka ataontsika eny anivon’ny Tafo sy Faritany dia tena zava-dehibe ary mbola anentanana antsika rehetra hatrany ny hanohizana izany. Kanefa mbola maro ireo Tafo mangetaheta fatratra ny hanana Mpitandrina matihanina hiahy ny ondrin’Andriamanitra any amin’izy ireny. Ary izay no anentanana antsika indrindra ihany koa. Ka hifarimbona isika mba tsy hamely irery ireo Tafo izay mety ho marefo ara-bola na mety ho bitika noho ny isan’ny Mpikambana ao aminy.
Ny fiatrehantsika miaraka io ezaka makadiry io dia endriky ny maha-fiangonanana feno ny FPMA satria anehoantsika fa ny FPMA dia Fiombonan’ny kristiana mpiara-mivavaka miray ao anatin’ny Rafitra iray (Église institutionalisée) ary Fivondronan’ny Fiangonana samy kristiana manaiky hiara-miasa sy hifanome tanana (Fédération d’Églises), arak’izay nampahatsiahivin’i Pasitera Jean A. Ravalitera, Filohan’ny FPMA. Ny fomba antanterahana izany dia ny ny fiaraha-mientana amin’ny Asa Misiona Iombonana.
Resy lahatra aho, ry havana, fa izay firaisankinantsika izay, izay fiombonantsika izay no làlana azo antoka indrindra hahatanterahan’ny fananana Mpitandrina matihanina amin’ny Tafo FPMA rehetra, ny Faritany FPMA rehetra, eto anivon’ny FPMA manontolo. Izany rahateo no fampianarana nomen’ny Tompo antsika: Fa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen’ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany (Romana 15:1).
Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra.



