Fampianarana ataon’i Pasitera Jean A. RAVALITERA, Filohan’ny FPMA
Nov 16th, 2010 | Nampiditra ny lahatsoratra: Rado Rakotonirina | Sokajy: Fampianarana teolojika
Ny Fiangonana sy izay tokony ho toetry ny fanaovan’ny Mpikambana rehetra ao aminy ny adidy mba ho enti-manana ny fampandehanan-draharaha ao aminy.
Tsy azoazoko loatra fony tany aloha, rehefa manatrika fanompoam-pivavahana ao am-piangonana, ny mahita ny olona milahatra mandeha manodidina manatitra ny rakitra eny anoloana. «Sady mandany fotoana, no manelingelina koa ny fahitana ny olona sasany toa mampidera fitafy sy haingo mandritra izany fotoana izany», hoy ny eritreritro. Tafaresaka tamin’ny mpitandrina raiamandreny lehibe iray aho ka nanontany azy ny tsy mbola hanafoanana io fomba io. «Efa nitovy hevitra taminao mihitsy aho, hoy izy, kanefa rehefa nandinika lalina aho dia izao no tsaroako : hadisoan-kevitra ny misaina hoe hahabe kokoa ny fanomezana ataon’ny olona ny fanaovana io rakitra manodidina io (toy ny fanerena azy an-kolaka hanome mba tsy ho azon-kenatra raha mijanona eny an-toerana fa tsy mandroso); fa fampianarana nataoko ary tiako ho tsaroan’ny olona rehefa manatitra rakitra izy ireo, dia ny hoe «tsy mba mangataka Andriamanitra, fa ianao no mandray anjara amin’ny asany rehefa resy lahatra fa te hiara-miasa aminao Izy».
Nahalasa eritreritra ahy lalina ny fampahatsiarovany hoe: «te hiara miasa aminao Andriamanitra». Fa angaha tokoa tsy vitan’Andriamanitra irery ny asany ? Izy no nahary ny zavatra rehetra, ary Izy no mandrotsaka feno sy mampitobaka ny fahasoavany ho antsika olombelona. «Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hananareo ny onony rehetra mandrakariva amin’ny zavatra rehetra, ka hitombo amin’ny asa tsara rehetra… Ary Izay manome voa ho an’ny mpamafy sy mofo hohanina dia hanome sy hahabe ny voa afafinareo ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo, dia hanan-karena amin’ny zavatra rehetra ianareo ka handroso amin’ny hitsim-po, izay mahatonga ny fisaoranay an’Andriamanitra», hoy ny apostoly Paoly tamin’ny Korintiana, raha namporisika azy ireo handray anjara tamin’ny famoriam-bola ho an’ny kristiana malahelo tany Jodia izy (II Korintiana 8. 8, 10).
Tena fahasoavana arotsak’Andriamanitra ho an’ny Kristiana tokoa ny hahafahany manome avy amin’izay nomena azy mba hanatanterahany ny fanompoana an’Andriamanitra.
« Maimaimpoana ny fahasoavan’Andriamanitra, fa mila ny ho enti-manana azy kosa ny Fiangonana » (La grâce de Dieu est gratuite, mais l’Église a un coût), hoy ny teny hitantsika matetika eo am-baravaran’ny ankamaroan’ny trano Fiangonana miray amin’ny ERF izay mampiantrano antsika FPMA. Napetraka ho fanentanana ny vahoaka kristiana handrotsaka adidy mba ho enti-manana ny asan’ny Fiangonana izany: na ho fikojakojana ny trano fiangonana, na ho adidy iombonana arotsaka amin’ny Faritany sy ny Foibe ho fampandehanan-draharaha sy ho fivelomana ho an’ny mpiasam-piangonana matihanina. Raha vao miteny hoe «Fiangonana» isika dia tsy ny trano iangonana ihany, tsy ny fikambanan’ny olona eo an-toerana tonga hiara-mivavaka fotsiny ihany koa (congrégation locale) no ao an-tsaina amin’izany, fa voafaoka ao anatin’io teny io: na ny trano iangonana, na ny mpiara-mivavaka eo an-toerana, fa indrindra koa ny Fiombonan’ny kristiana mpiara-mivavaka miray ao anatin’ny Rafitra iray (Église institutionalisée), sy ny Fivondronan’ny Fiangonana samy kristiana manaiky hiara-miasa sy hifanome tanana (Fédération d’Églises), ary ny Fiangonana kristiana rehetra eran-tany (Église Universelle).
Misy ny olona sasany diso fihevitra fa hoe tsy tokony hanao adidy ao am-piangonana (afa-tsy izay tokony ho enti-manana ny eo an-toerana ihany). Azo lazaina ihany fa fitiavan-tena no fototra iaingan’izany, satria tsy mijery afa-tsy izay hahazoana tombontsoa ho an’ny tena fotsiny izay misaina toy izany, ary tsy mahafantatra mihitsy ny atao hoe Fiangonana.
Fa tsy azo hamaivanina ihany kosa kanefa izao: Tsy ampy faharisihana ny olona manao adidy, satria etsy andaniny, sady tsy misy fitaizana lalim-paka ara-panahy momba izany matetika fa miainga avy amin’ny zava-misy sy ny takian’ny eo noho eo ihany ny famaritana ny fanaovana adidy ao am-piangonana, no etsy ankilany kosa indray, tsy fantatry ny olona mihitsy matetika ny fampiasana ny adidy arotsany, fa mijanona amin’ny resaka ankapobeny fotsiny ny fampahalalana azy. Raha tsorina, dia tsy ampy ny mangarahara eo amin’ny fiainam-piangonana, fa indraindray mijanona, na iniavina ajanona, eo amin’ny mpitarika fotsiny ny fampitam-baovao. Tena mandreraka ny maro koa ny resa-bola toa tsy misy farany.
Marina aloha, tsy azo lavina mihitsy, fa matetika maka toerana be eo amin’ny fandinihan-draharaha amin’ny fiangonana ny resaka ara-bola, ary manorisory ny fitakiana matetika fandraisana anjara avy amin’ny vahoaka kristiana. Tsy azo lavina mihitsy koa, etsy andanin’izany, fa indraindray tsy mazava araka ny tokony ho izy ny fitantanana ary voalaza etsy ambony fa tsy fantatry ny olona tsara ny anton’ny hampiasana ny vola angonina (na dia misy aza ny Teti-bola izay alefa mialoha, fa tsy raisin’ny olona ho tena zava-dehibe ny fanadihadiana tokony hiarahan’ny maro momba izany).
Fa misy koa, kanefa, ny olona sasany, ireo efa tsy marisika mihitsy hanao adidy ara-bola, na ho an’ny raharaha eo an-toerana na ho an’ny fiombonana, miseho ho mahalala ary mandray an-tendrony fotsiny ny teny ao amin’ny Soratra Masina. Tanisainy ara-bakiteny, tsy asiany fandalinana mihitsy, ho entiny manamarin-tena amin’izany, ny hoe: «Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy Mamôna (harena) ianareo» (Matio 6. 24) sy ny hoe: «Ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra» (I Timoty 6. 10). Tena fampiasana ny Soratra Masina hivaona tsy hilaza ny tiany ambara izany, koa mila fampianarana mazava tsara mba tsy hahatonga antsika ho fitaovana ampiasain’ny fahavalo hanimba ny asan’Andriamanitra.
Misy fototra efatra lehibe (quatre principes fondamentaux), sady ara-pinoana no ara-tSoratra Masina no ara-piaraha-monina koa (théologique, biblique et sociologique), tokony hijerena ny fanatanterahana ny adidy ary entina mitaiza ny vahoakan’Andriamanitra mba hananany faharisihana (motivation) hanao adidy.(…)
Raha hazavaintsika tsotsotra sy atao an-tsary tsotra miainga avy amin’ny zava-misy efa mahazatra antsika eo anivon’ny fiaraha-monina misy antsika, mba ho mora andraisana azy, mialoha ny handalinana azy, ireo fototra efatra ireo, dia toy izao: Raha vao miditra ao anatin’ny fikambanana iray ianao (mpanao fanatanjahantena, ohatra) dia angatahina mba handoa latsakemboka isam-bolana na isan-taona (cotisation). Ny fandoavana izany latsakemboka ifanarahana izany no marika hahatsiarovan-tena fa tena mpiray volo sy mpikambana ao tokoa ny tena (principe d’appartenance). Raha hazavaina tsara fa ilaina mba handoavana ny sarany amin’ny fanatanterahana ny fihetsiketsehana rehetra hataon’ny fikambanana io latsakemboka io, ary satria ny asa rehetra dia mendrika hahazo ny tambiny, dia ampahafantarina koa fa ao anatin’izany dia tokony handoavana saran-dalana sy tambim-pahasasarana ny mpanazatra ny ekipa. Fanazavana ilaina izany, mba hampitana amin’ny olona ny fahatsiarovana fandraisana andraikitra (principe de responsabilité). Sendra tojo fahasahiranana ny namana mpiaraka ao anatin’ilay fikambanana fa nisy fahoriana nahazo azy indray andro. Namangy ny fianakaviana ny mpikambana rehetra, ary nanolotra marika kely fandraisana anjara mba hanampiana ilay namana tojo fahasahiranana. Fiaraha-mientana sy fifanampiana izany (principe de solidarité). Mety ho efa voafaritra mialoha ny latsakembona aloa ao anatin’ny fikambanana, kanefa samy nanao araka ny nahimpony ny mpikambana tsirairay nandoa, tsy ho an’ny fanampiana io namana io fotsiny, (satria mety ho efa nifanarahana tany aloha ao anatin’ny fitsipiky ny fikambanana ny momba ny fanampiana hatao amin’ny toe-javatra mitranga tahaka izany), fa amin’ny fitsinjovana mihitsy koa ny asa rehetra miandry ny fikambanana ka tsy maintsy hanaovana fandaniana. Fanehoana ny fananana fahafahana izany (principe de liberté). Misy tokoa mety hanome mihoatra noho ny latsakemboka efa nifanarahana, noho ny fahatsapany ny tena hilana vola ho enti-mampandeha ny raharahan’ny fikambanana.
Fa misy kosa ny sahirana, kanefa tena te hijanona ao anatin’ny fikambanana ihany izy na tsy afa-manoatra firy noho ny fananany: zara aza, efa zava-dehibe tokoa, rehefa mba miezaka mafy izy dia tsy mahavita afa-tsy izay efa nifanarahana ihany. Tsy misy fifanomezan-tsiny fa marina sy rariny izany. Ny manao mihoatra ny tokony aloany mba hahafahana mitsinjo ny hafa naman’ny tena ao anaty fikambanana izay tsy afa-manoatra, dia sady maneho fahafahana no fiaraha-mientana koa, araka ny Soratra Masina hoe: «mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn’i Kristy» Galatiana 6. 2. Fampianarana ny amin’ny tokony hananana fandeferana sy fahari-po eo anatrehan’ny namana (tolérance et charité) io, sady mamporisika koa amin’ny fanomezan-danja ny fiombonana (communion et solidarité).
Ny fiainan’ny Fiangonana, hatramin’ny fiangonan’ny Zanak’Israely, araka ny Testamenta Taloha sy nandritra ny Fiangonana voalohany, araka ny hita ao amin’ny Testamenta Vaovao, ary koa nandritra ny tantaran’ny Fiangonana nifandimby voarakitry ny tantara, dia teo foana ireo fototra efatra voalaza ireo. Fa mety miova kely kosa isaky ny fisehoany ny endriny.
Raha hanaraka ny fampianarana manontolo dia tsindrio eto : Fampianarana ataon'i Pasitera Jean A. RAVALITERA, Filohan'ny FPMA (PDF).


