Traikefan’ny Tafo FPMA Grenoble
Nov 5th, 2010 | Nampiditra ny lahatsoratra: Rado Rakotonirina | Sokajy: Fizarana traikefa
Isan’ireo Tafo ao anatin’ny asa fiomanana hananana Mpitandrina matihanina ny Tafo FPMA Grenoble. Toy izao ny dinika nifanaovana, ny zoma 05 novambra 2010 teo, tamin’ny Filohan’ny Tafo FPMA Grenoble, Ramatoa Mirana ANDRIAMANGA, manoritra ny andinindinin’ny dingana diavin’izany Tafo izany.
Mpandrindra ny tranonkala : Miarahaba an’i Ramatoa Mirana ANDRIAMANGA, Filohan’ny Tafo FPMA Grenoble. Azo lazalazaina ve ny mikasika ny Tafo FPMA Grenoble sy ny fitandremana ao aminy ?
Filohan’ny Tafo FPMA Grenoble : Tamin’ny 1980 no natsangana ny FPMA Grenoble. Mankalaza ny faha-30 taonany ny Tafo amin’ity taona 2010 ity. Hatreto anefa dia tsy mbola misy ny Mpitandrina matihanina fa Mpitandrina mpandrindra no misahana ny fitandremana eto Grenoble. Ny Mpitandrina mpandrindra (Pasitera Falimanana RAHARINDRANTO) dia tsy mpitandrina monina eto Grenoble fa in-droa isam-bolana ihany izy no afaka mitsidika sy miasa aty1. Izany seho izany no isan’ny mahatonga ny fiomanananay hanana Mpitandrina matihanina eto amin’ny Tafo FPMA Grenoble.
Mpandrindra ny tranonkala : Izany hoe tena filàna ho anareo ilay misy Mpitandrina matihanina ?
Filohan’ny Tafo FPMA Grenoble : Izay indrindra. Samy tsy afa-po amin’ny zava-misy ny rehetra : ny Mpitandrina mpandrindra tsy afa-manoatra noho ny hateren’ny fotoana sy ny halavirana ka tsy mahafeno ny asany arak’izay mba tena iriany. Misy koa ny fahabangana amin’ny aim-panahy ho an’ny mpiangona. Matetika rehefa sendra misy mana-manjo izao dia ny laika ihany no mifampahery kanefa hafa kokoa ny fampeherezana ho an’ny fianakaviana avy amin’ny raiamandreny ara-panahy. Toy izany koa hoan’ireo marary sy ny etsetra.
Ary rehefa eo indray ny Mpitandrina dia tsapa mihitsy ny fahavitrihin’ny mpiangona liana amin’ny sakafom-panahy. Ohatra izao : fotoana vitsy lasa izay dia nanomana fanadihadiana ara-tsoratra masina2 ny Sampana Tanora miaraka tamin’ny Mpitandrina ary nifantoka tamin’ny lohahevitra momba ny fianakaviana kristiana sy ny fitiavana. Asabotsy hariva ny nanaovana azy kanefa dia be lavitra noho ny isan’ny mpiangona isan-kalahady no nanatrika izany.
Mpandrindra ny tranonkala : Ahoana ary ny fiomananareo amin’ny fakana Mpitandrina matihanina izay ?
Filohan’ny Tafo FPMA Grenoble : Tamin’ny taona 2008 no natomboka ny asa fitrandrahana Mpitandrina matihanina tamin’ny fananganana ny V3M. Ny tena zava-dehibe moa dia ny nisian’ny dinidinika nandritry ny Lasin’ny Tafo, ny volana novambra 2008, ary nanehoana ireo seho3 azo hevehina raha haka Mpitandrina matihanina. Tamin’izay no nanapahan’ny mpandray fa tsara raha ny fakana Mpitandrina hiasa feno4 no iezahina.
Ny taona 2009 indray no nametrapetrahana ny fikarakarana eo amin’ny lafiny rehetra : na ara-panahy, na ara-bola, na ara-lojistika-teknika ilaina amin’izany tanjona izany. Tamin’ny alahadin’ny Paska 2009 ohatra dia nozaraina takelaka ny mpiangona mampahatsiahy ny dingana efa natao sy ny miandry amin’ny fakana Mpitandrina matihanina. Tamin’ny telovolana farany amin’ny taona 2009 indray no nametrahana ny fomba hanohanana ara-bola ny tanjona hananana Mpitandrina matihanina amin’ny alalalan’ny fanomezana mivantana eny anivon’ny banky5.
Ity taona 2010 ity dia mifantoka amin’ireo dingana izay tena hahatongotra mby an-dakana ho an’ny Tafo FPMA Grenoble ny tanjona hananana Mpitandrina matihanina.
Mpandrindra ny tranonkala : Izany hoe ?
Filohan’ny Tafo FPMA Grenoble : Nisy ny Fivoriamben’ny mpandray6 indroa miantaona. Ny voalohany : tamin’ny 18 aprily 2010 izay nakana fanapahan-kevitra tamin’ny fomba ofisialy teto amin’ny Tafo FPMA Grenoble, fa haka Mpitandrina matihanina ny Tafo amin’ity taona 2010 ity. Nolanian’ny Mpandray, zato isan-jato, tamin’ny izany ny dingana sy diary harahina.
Ny Fivoriamben’ny mpandray faharoa kosa, ny 30 mey 2010, no nanapahana ny Dossier d’offre de poste pastoral izay ahitana indrindra ny Antso Mpitandrina matihanina, ny Fitsipiky ny Firotsahana ho Mpitandrina Matihanina ho an’ny Tafo FPMA Grenoble.
Mpandrindra ny tranonkala : Azo azavaina bebe kokoa ve ny mikasika ireo dingana notinapaky ny Tafo FPMA Grenoble ireo ?
Filohan’ny Tafo FPMA Grenoble : Izany hoe nisokatra ny voalohan’ny volana jona 2010 ka hatramin’ny 30 septambra 2010 teo ny fahafahana mirotsaka ho Mpitandrina matihanina eto amin’ny Tafo FPMA Grenoble. Napetraka hifanindry an-dàlana amin’izay ny dingana fifantenana (dininidinika miaraka amin’ny Komitin’ny Tafo, fitarihana fanompoam-pivavahana arahina dinidinika amin’ny mpandray, …).
Roa amin’ny pasitera izay nilatsaka ho Mpitandrina matihanina eto Grenoble no nahatontosa ny dingana rehetra hatreto. Misy pasitera telo hafa kosa izay nametraka ara-dalàna sy ara-potoana ny taratasy firotsahany ho Mpitandrina matihanina eto Grenoble saingy mbola eo an-dàlam-panatontosana ireo dingana. Fantatsika fa mialohan’ny dingana fifantenana ety anivon’ny Tafo dia tsy maintsy ankatoavin’ny FPMA ny firotsahan’ireo pasitera kandidà. Alohan’ny hanekena ny taratasy firotsahan’ireo pasitera kandidà ka irosoana amin’ny fihaonany amin’ny Tafo FPMA Grenoble dia misy ny dingana iarahan’izireo amin’ny Birao Foibe FPMA sy ny Vaomieran’ny Fanompoana eo amin’ny FPMA. Noho ny antony samihafa (fotoana, toerana, …) , dia izay dingana ho amin’ny fankatoavana izay no naka fotoana kely ho an’ireo pasitera telo ireo.
Nanapa-kevitra ny Fivoriamben’ny mpandray ny 17 oktobra 2010 teo fa miandry ny fanatontosana ny dingana iarahan’ny pasitera kandidà amin’ny Birao Foibe FPMA sy ny Vaomieran’ny Fanompoana aloha. Aorian’izay rehefa afaka miroso ny eto amin’ny Tafo FPMA Grenoble amin’ny dingana fifantenana (dininidinika miaraka amin’ny Komitin’ny Tafo, fitarihana fanompoam-pivavahana arahina dinidinka amin’ny mpandray, …) dia hatao ny fifidianana izay ho Mpitandrina matihanina eto. Raha sitrapon’Andriamanitra dia ato anatin’ny herinandro vitsivitsy no hanaovana izany.
Mpandrindra ny tranonkala : Teny farany, Ramatoa Filoha ?
Filohan’ny Tafo FPMA Grenoble : Hamaranana dia aleo indramina ny Tenin’Andriamanitra manao hoe : “Aoka ny olona rehetra samy hanao arak’izay inian’ny fony avy, tsy amin’alahelo, na amin’ny faneriterena : fa ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra” II Kor 9.7.


