Teny Malagasy.....Version Française

Matoan-dahatsoratra

Nov 2nd, 2010 | Nampiditra ny lahatsoratra: Roland Ratiarison | Sokajy: Matoan-dahatsoratry ny Filoha Laika

Ry havana,

Ampitomboina amintsika hatrany anie ny Fahasoavana sy ny Fiadanan’i Jesoa kristy Lohan’ny Fiangonana.

Anisan’ny tanjona nofaritana tamin’ny synoda lehibe FPMA tany Orléans tamin’ny volana novambra 2007 ny hahamatihanina ny Mpitandrina rehetra eo anivon’ny FPMA. Vokatr’izany dia natsangana ny Vaomiera Mitrandraka ny Momba ny Mpitandrina Matihanina (V3M) izay rafitra miara-miasa amin’ny birao foibe FPMA, mitady izay fomba mety hatao mba hanantanterahana izany tanjona izany.

Fantantsika fa tsy ny fotoana alahady ihany no ilaina Mpitandrina fa na amin’ny andavandro koa toa ny fanaovana “entretien pastoral”, ny famangiana ny Marary, ny fanofanana sy fampianarana ny tenin’Andriamanitra.

Manana Mpitandrina efa voahosotra miisa 20 ny FPMA ary 5 amin’izy ireo ihany no matihanina. Na eo aza ny finiavan’ny Mpitandrina hafa hanokana ny fotoana amin’izany asa fitoriana dia tsy maintsy misy koa ny fandaminana sy ny fitadiavana amin’ny andavanandro ka nahatonga ny ankamaroan’izy ireo tsy maintsy mitady asa mba ahazahoana ny enti-manana eo amin’ny andavandro sy ny fianakaviana.

Ny fomba tokana ahazahoan’ny fiangonana hananteraka ny asany amin’ny tokony ho izy dia ny fametrahana Mpitandrina manokana ny fotoanany rehetra amin’ny asa fitandremana, satria tsy afaka hivelatra sy hitory ny filaznatsara ny fiangonana raha tsy voakoliko sy mitombo ny finoana ny mpiangona ao aminy. Isika vahoakan’ny FPMA no voakasika amin’ny fanantanerahana izany tanjona izany.

Nisy ny fivoriana nisesy natao teo anivon’ny faritany sy ny tafo mivondrona eo anivon’ny FPMA, ka nanentanana ny tsirariray isam-batan’olona ao anatin’ny vahoakan’ny FPMA mba hiaraka hanatanteraka izany tanjona izany, satria voakasika izany avokoa ny tafo rehetra eo anivon’ny FPMA.

Ny alahady 12 oktobra 2008 izay natokana ho “alahadin’ny Mpitandrina matihanina” no nanombohan’ny ny ezaka amin’ny fanantanterahana izany tanjona izany eo anivon’ny tafo rehetra ny FPMA , ka nisy ny fanaovana ny “souscription”, vokatr’izany dia nitombo iray ny Mpitandrina matihanina nanomboka tamin’ny volana febroary 2009.

Efa mahavelom-bolo ny ezaka vita hatramin’izao, na dia mbola lavitra amin’ny tanjona ho tratarina, fa dia mbola hitohy ny fanentanana hataon’ireo solontenan’ny V3M isam-piangonana sy isam-paritra.

Ny Tompo izay efa niantso antsika rehetra amin’ny fanantanterahana asa iombonana eo amin’ny fitoriana ny filazantsara eo amin’ny sehatry ny FPMA, no handresy lahatra antsika, ka mba fitaovana eo am-pelantanany amin’ny fametrahana Mpitandrina Matihanina amin’ny tafo rehetra eo anivon’ny FPMA.

Dia ho an’Andriamanitra Irery ihany ny Voninahitra amin’izay rehetra tanteraka sy mbola ho hataontsika ho fampandrosoana ny Fanjakany.

Tsy azo atao ny mametraka fanamarihana.