Teny Malagasy.....Version Française

    “Mpitandrina matihanina”: Tafo Montpellier sy Tafo Lille

    Noho ny Fahasoavan’Andriamanitra dia miroso amin’ny fiantohana ny fiveloman’ny Mpitandrina hiasa mba ho matihanina ao aminy ny Tafo FPMA Montpellier sy ny Tafo FPMA Lille.

    Ho an’ny Tafo FPMA Montpellier :

    Misokatra ny 15 febroary 2011 ka hatramin’ny 25 marsta 2011 ny fahafahana mirotsaka ho kandidà.

    Raha mila fanazavana fanampiny dia mifandraisa amin’ny Mpiandraikitra ny V3M – Tafo FPMA Montpellier :
    Atoa ANDRIAMALALAMANA Roland : darol [at] wanadoo [point] fr

    Ho an’ny Tafo FPMA Lille :

    Misokatra ny 01 martsa 2011 ka hatramin’ny 30 aprily 2011 ny fahafahana mirotsaka ho kandidà.
    Raha mila fanazavana fanampiny dia mifandraisa amin’ny Mpiandraikitra ny V3M – Tafo FPMA Lille :
    Atoa RAZAFINDRAMBOA Naina : v3mfpmalille [at] gmail [point] com

    Fa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen’ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany. (Romana 15:1)

    Ry havana,

    Efa-taona izao no nimasohana teto anivon’ny FPMA, mba ho laharam-pahamehana ny hamelomana ny Mpitandrina amin’ny Tafo FPMA sy Faritany FPMA rehetra ary FPMA manontolo, ka hahamatihanina azireo. Fanamby lehibe napetratsika izany taorian’ny Synoda Lehibe FPMA faha-XXXI, 2006 tany Orléans. Betsaka ny vita satria raha telo ny Mpitandrina matihanina talohan’ny 2006 (Pasitera Synodaly, Tafo Paris, Tafo La Réunion), dia niampy valo izany ankehitriny, rehefa niroso ny Tafo Aix-Marseille, Toulouse, Grands-Champs, Lille, Lyon, Poitiers, Fihobiana ary ny Fandrindrana ny Faritra Afovoany Andrefana.

    Ny ezaka ataontsika eny anivon’ny Tafo sy Faritany dia tena zava-dehibe ary mbola anentanana antsika rehetra hatrany ny hanohizana izany. Kanefa mbola maro ireo Tafo mangetaheta fatratra ny hanana Mpitandrina matihanina hiahy ny ondrin’Andriamanitra any amin’izy ireny. Ary izay no anentanana antsika indrindra ihany koa. Ka hifarimbona isika mba tsy hamely irery ireo Tafo izay mety ho marefo ara-bola na mety ho bitika noho ny isan’ny Mpikambana ao aminy. (…)

    Matoan-dahatsoratra

    Ry havana,

    Ampitomboina amintsika hatrany anie ny Fahasoavana sy ny Fiadanan’i Jesoa kristy Lohan’ny Fiangonana.

    Anisan’ny tanjona nofaritana tamin’ny synoda lehibe FPMA tany Orléans tamin’ny volana novambra 2007 ny hahamatihanina ny Mpitandrina rehetra eo anivon’ny FPMA. Vokatr’izany dia natsangana ny Vaomiera Mitrandraka ny Momba ny Mpitandrina Matihanina (V3M) izay rafitra miara-miasa amin’ny birao foibe FPMA, mitady izay fomba mety hatao mba hanantanterahana izany tanjona izany.

    Fantantsika fa tsy ny fotoana alahady ihany no ilaina Mpitandrina fa na amin’ny andavandro koa toa ny fanaovana “entretien pastoral”, ny famangiana ny Marary, ny fanofanana sy fampianarana ny tenin’Andriamanitra. (…)

Fampianarana teolojika

Fampianarana ataon’i Pasitera Jean A. RAVALITERA, Filohan’ny FPMA

Raha hanaraka ny fampianarana manontolo dia tsindrio eto : Fampianarana ataon'i Pasitera Jean A. RAVALITERA, Filohan'ny FPMA (PDF).

====================

« Maimaimpoana ny fahasoavan’Andriamanitra, fa mila ny ho enti-manana azy kosa ny Fiangonana » (La grâce de Dieu est gratuite, mais l’Église a un coût), hoy ny teny hitantsika matetika eo am-baravaran’ny ankamaroan’ny trano Fiangonana miray amin’ny ERF izay mampiantrano antsika FPMA. Napetraka ho fanentanana ny vahoaka kristiana handrotsaka adidy mba ho enti-manana ny asan’ny Fiangonana izany: na ho fikojakojana ny trano fiangonana, na ho adidy iombonana arotsaka amin’ny Faritany sy ny Foibe ho fampandehanan-draharaha sy ho fivelomana ho an’ny mpiasam-piangonana matihanina. Raha vao miteny hoe «Fiangonana» isika dia tsy ny trano iangonana ihany, tsy ny fikambanan’ny olona eo an-toerana tonga hiara-mivavaka fotsiny ihany koa (congrégation locale) no ao an-tsaina amin’izany, fa voafaoka ao anatin’io teny io: na ny trano iangonana, na ny mpiara-mivavaka eo an-toerana, fa indrindra koa ny Fiombonan’ny kristiana mpiara-mivavaka miray ao anatin’ny Rafitra iray (Église institutionalisée), sy ny Fivondronan’ny Fiangonana samy kristiana manaiky hiara-miasa sy hifanome tanana (Fédération d’Églises), ary ny Fiangonana kristiana rehetra eran-tany (Église Universelle).

Misy ny olona sasany diso fihevitra fa hoe tsy tokony hanao adidy ao am-piangonana (afa-tsy izay tokony ho enti-manana ny eo an-toerana ihany). Azo lazaina ihany fa fitiavan-tena no fototra iaingan’izany, satria tsy mijery afa-tsy izay hahazoana tombontsoa ho an’ny tena fotsiny izay misaina toy izany, ary tsy mahafantatra mihitsy ny atao hoe Fiangonana.

Fa tsy azo hamaivanina ihany kosa kanefa izao: Tsy ampy faharisihana ny olona manao adidy, (…)

Fa misy koa, kanefa, ny olona sasany, ireo efa tsy marisika mihitsy hanao adidy ara-bola, na ho an’ny raharaha eo an-toerana na ho an’ny fiombonana, miseho ho mahalala ary mandray an-tendrony fotsiny ny teny ao amin’ny Soratra Masina. Tanisainy ara-bakiteny, tsy asiany fandalinana mihitsy, ho entiny manamarin-tena amin’izany (…)

Misy fototra efatra lehibe (quatre principes fondamentaux), sady ara-pinoana no ara-tSoratra Masina no ara-piaraha-monina koa (théologique, biblique et sociologique), tokony hijerena ny fanatanterahana ny adidy ary entina mitaiza ny vahoakan’Andriamanitra mba hananany faharisihana (motivation) hanao adidy.(…)

Traikefan’ny Tafo FPMA Grenoble

Temple FPMA GrenobleIsan’ireo Tafo ao anatin’ny asa fiomanana hananana Mpitandrina matihanina ny Tafo FPMA Grenoble. Toy ny dinika nifanaovana, ny zoma 05 novambra 2010 teo, tamin’ny Filohan’ny Tafo FPMA Grenoble, Ramatoa Mirana ANDRIAMANGA, manoritra ny andinindinin’ny dingana diavin’izany Tafo izany. (…)

Vaovao tselika: Tafo FPMA Grenoble – Mpitandrina matihanina

Tontosa soa aman-tsara ny alahady 16 janoary 2011, tao ao amin’ny Tafo FPMA Grenoble, ny fifidianana izay ho Mpitandrina matihanina amin’izany Tafo izany.

Sitrak’Andriamanitra àry ny nametraka ny mpanompony : Pasitera RAMAHERIJAONA Jean-Teddy, hitandrina ny Tafo FPMA Grenoble.

Ny Fanompoam-pivavahana izay hametrahana an’i Pasitera RAMAHERIJAONA Jean-Teddy ho Mpitandrina matihanina ao amin’ny Tafo FPMA Grenoble sy ny fotoana handraisany izany andrakitra izany dia mbola ho fantatra miandalana eny ihany.

Vangio ny tranonkalan’ny Tafo FPMA Grenoble. (…)

Vaovao FPMA: Hafatry ny Synoda Lehibe Faha-XXXIII

Synoda LehibeNy Synoda Lehibe faha-XXXIII n’ny FPMA izay nivory teto La Rochette, Melun, Seine et Marne, ny 30 sy 31 Oktobra ary 01 Novambra 2010, miarahaba sy mamangy ny Tafo sy kristiana FPMA rehetra.

Hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo. Amena.

« Tomoera Amiko ary Izaho aminareo » (Jaona 15: 4). Izany Tenin’ny Tompo izany no teny faneva nitarika ny Synoda Lehibe Faha-XXXIII. Isaorana ny Tompo fa noho ny fahasoavany sy ny noho ny fitarihan’ny Fanahy Masina dia tonga amin’ny dingana vaovao, anatanterahan’ny FPMA ny tanjona kendrena amin’ny hoe : « Ho olon-dehibe mahatratra ny halehiben’i Kristy sy henika ny fahafenoany ».

Ny endrika lehibe voalohany nisehoan’izany dingana vaovao izany dia ny fanomezana fotoana maharitra ankoatr’izay lany niadiana hevitra, nanaovana fiaraha-mandinika Soratra Masina sy fiaraha-mivavaka. Ny aimpanahy azo tamin’izany no nahavitana ireo zava-dehibe, namahana olana, ary nametrahana ireo asa ho amin’ny ho avy. (…)